Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tiava nefa,...aza manantena (R.V.K)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiava nefa,...aza manantena.
Rehefa tsapanao fa,tinao ny fony
Dia ataovy ampy izay
Fa aza manantena zavatra hafa intsony
Ka hangataka indray
.
Rehefa mba nomeny izay azony nomena
Dia hisambaro aloha
Fa aza mila kisa,miandry manantena
Mitady aretim-po
.
Raha mahatsapa ianao fa,babony tanteraka
Ny fo naniry azy
Ataovy ampy anao ny efa nanekeny
Hanaiky anao ho vady
.
Fa aza manontany izay lalana hombany
Mandeha mandavan-taona
Ataovy an-tsaina fa,...vadinao iny
Tsimaintsy mody foana
.
R.v.k
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Ravakiniaina.
