Ilay ony (Rafanoharana, Bolespara)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Variana ny masoko, gaga ny saiko,
Mahita 'ty ony mandalo tanàna :
Milamim-pisosa toa efa voabaiko,
Manatona ihany an'ilay fiafarana.
Ny onja madinika, indreny misangy,
Toa ondry aman'osy mifaly havanja ;
Ny roatra tsy rototra, toa mampitamby
Mirona malako fa manam-pilanja.

Ilaozako anefa 'lay toerako teo,
'Ty ony malaza arahiko an-kiry :
Injany any fa re ô! henoko feo,
Dia feo mahatahotra, feo makadiry !
Tsy ela dia hitako eo anoloako.
'Ty riana mianjera tsy roa aman-tany ;
Ny rano mifafy hatreo am-pijoroako,
Mamorona avana kanto aoka izany !

Miorika ihany hatrany hatrany,
Tsy miato ny diako manaraka ny ony.
Satria te-hahita izay fiandohany,
'Zay hoe hainandro tsy tsapako intsony,
Dia iny 'lay ony mihena, mihena,
Mihena miandalana sy mihakely ;
Tanety vakiny endre ! raha jerena,
Fa mavana, maitso, toa "sahan'anjely".

Ny omby aman'ondry darofan'ny andro,
Indreo fa misotro, mimà dia mitraka;
Ny ankizy mpiandry, mafana ka mandro
(Ireo tsy mba sahy mikatroka daka)
Mihena tsy hitan'ny masoko intsony
Fa lasa misitrika anatin'ny ampanga :
Endrey! zary tatatra manko ilay ony
Dia tatatra kely toa mena-mitranga !

Dia hitako farany 'lay loharano
Miboika dia miboika ambanin'ny vato ;
Ny rano mivoaka eo manganohano ;
Miboika dia lasa, mandeha tsy miato.
Indreny ny vorona, ireo voron'ala,
Misotro, variana, dia miara-mikalo
Miadam-pinaritra, tsy salasala,
Fa lavi-panenjika sy fahavalo.

Mandeha ny saiko mihevitra izany :
Nahoana aho re no kivy mazàna?
'Lay ony kanefa he 'ty fiandohany
Mba kely sy bitika saro-jahana.
Ry foko, mionòna ka aza tomany ;
Raha toa mavomavo tsy fantatra akory,
lanaro ny ony, mitombo hatrany ;
Ho resy miandalana ny andro mahory !
--------
Rohy:
Sokajy : zavaboary - Fanantenana
903 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafanoharana, Bolespara
Nampiditra : jantina
Daty : 09/08/2019 13:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103