Irony dinitry ny lasa (RAHARIJAONA Marie-Angèle)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ô ry fahavalopolo taona izay iainanay etoana,
Midorehitra firehitra, antom-pisian'ity fotoana,
Fahavalopolo taonan'i RADO, andro iray tena miavaka,
Ho vita sokitra ato anaty, mitondra hanitra sy ravaka.

Tsy azon-tsampona ny dia, koa arahaba tonga soa.
Tsy hay hotanisaina etoana raha ny hafaliam-po.
Izahay rehetra indray mihira miara-dravo avokoa
Noho ity androm-pahasoavana ka isaorana ny Ray Tsitoha.

Fa irony dinitry ny lasa no mitambatra ho tolona,
Tolona ho an'ny firenena izay niari-pery, zary sorona,
Ka ny kapoaka nosinotrony sy ny ngidin'ny afero
No nampitrebom-boninkazo, manitra, mamerovero.

RADO, Olomangam-pirenena izay tsy hozoviana intsony,
Ka na ny rano ho maria, na ny tafiotra mety ho tony,
Ny asa sorany eny hatrany, toa lakolosy mampahatsiahy
Fa ady ny fiainana eto an-tany ka aoka hijoro ho lehilahy.

Ny diam-peninao tsy hafa, taratry ny zava-misy,
Toy ny kiakam-boronkely : tao ny "endrey" ! Tao ny "indrisy" !
Fitaratra azo itarafana ny hatrany am-para lalina,
Sady jiro manazava hoenti-mamakivaky ny alina.

Ka na ireo eto an-tanindrazana na izahay avy any am-pita
Dia samy miara-mankalaza ny hakanton'ireo zava-bita,
Harena ho an'ny firenena, kolontsaina sarobidy,
Soa ho an'ny taranaka, tsy fanakalo, tsy amidy.

Koa mananjara samy tany izany toera-naniriany,
Nosy Madagasikara, Akany maminy sy tiany,
Kanto loatra raha tazanina, mani-pofona sy tsara,
Tsy hohadinoina na oviana, hodoriavin-janaka amam-para.

Koa amin'ito Asaramanitra dia firariana no atao
Ry Olomangam-pirenena : "enga ho ela velona ianao,
Hihomokomo-dronono ka tsy ho diso fitahiana,
Hahatsiaro anao hatrany ireo taranaka any aoriana" !

Antananarivo 01 ôktôbra 2003

RAHARIJAONA Marie-Angèle
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
1934 0
Hevitra mandeha
Oully ( 01/02/2004 13:45)
Misaotra anao t@ ilay tonokalo ho an'i Rado fa tena mendrika ny asa-vitany tokoa.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAHARIJAONA Marie-Angèle
Nampiditra : Vetso
Daty : 23/11/2003 02:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128