Ravaina angamba (RahFitia)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ravaina angamba Ilay tantara nokoloina hatrizay,Ravaina na dia hoe" fitiavana tsy maty fa mivaivay"
Eto no tsotsoromamba hamaranana ity sangan'asantsika roa,
Nanoratra ihany isika, fa izay aloha no vita na marary izato fo
Ravaina angamba Ilay manda najoro hatry ny ela
Ravaina na dia hoe " nametraka tantara tsy azo avela"
Hifarana eto ny lalana niarahana, fa tojo sampanana,
Izaho hizotra iankavia ,dia ianao ihazo iankavana
Ravaina angamba fa tsy zaka raha lanjaina
Ravaina na dia hoe " ianao Ilay nolalaina "
Taperina hatreto, asina teboka amin'izay
Dia, Mankasitraka anao tamin'izay vita izay
Amiko ny tsiny e ! Raisiko na mangidy aza
Olondehibe nifanaiky isika, fa santria raha zaza
Ka aleo ho tapitra eto fa tsapa misy banga
Faranana ..................Ravaina angamba ??
--------
Lien:
