Hevitra momba ny TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA

Hiverina amin'ny TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA
Zozoro ( 06/04/2009 13:13)
Mitovy aminao aho...

Misaotra nampita.
raozigasy ( 06/04/2009 17:01)
AZA FEFENA

Na dia hovolenao tsilo irony lalana mankany
Na dia hotampenanao izany vavahadim-po
Raha toa ilay fitiavanao mbola mitempo sy tsy lany
Dia ho nofy izany rehetra izany , ho asa very maina koa

Na hivoady aza ianao, handa ny fotoana omeny
Na hitokona aza ianao, tsy hitsena azy am-piravany
Raha toa tsy fongotrao ilay faka, setrin’ilay fitia nekeny
Dia ho rera-dava eo ianao, sy ho vizaka hitomany

Na dia handa aza ianao, sy hiseho hoe manan-kambo
Na koa ianao hikombom-bava, tsy hamaly izay ambarany
Raha mbola misy sombin-Tia, na dia bitika toa kambo
Dia ho zava-poana ihany, ilay hanadino ny anarany

Satria ilay voady entim-po, sy ilay hatezerana marefo
Dia sandam-bidim-po voadona, ka tsy mahafehy ny tena
Satria ilay hasosoranao, ao anaty sefosefo
Dia mbola fitiavana vaventy, filavoana, faharesena

atonamia ( 06/04/2009 19:10)
Hatraiza Ny Fetra?

Hatraiza ny fetran'ny fiandrasana
Hanaovana sorona ny zava-drehetra
Sa ve hiandry andry fona hatrany an-pasana
Ka hiafy, hijaly etsetra etsetra?

Angamba hoy aho rariny kosa
Rehefa misy ny leo aseho mazava
Ny fitiavanao fotsiny atao miavosa
Mba ts'hisian' ny nenina ho anao lalandava

'Tsika rehetra dia miara-manaiky
Fa na lalim-paka ny fitia 'zay nekena
Rehefa mijaly ka mandany haiky
Dia aleo hialana fa tsy mety terena

Ho sarotra tokoa izany hanadino
Harary ny fo ny tomany tsy tana
Fa mahaiza mionona, mahaiza mino
Fa raha fitia hijaliana aleo hialana

Rehefa samy hijaly hitondra takaitra
Aleo hankelezina aleo foana aloha
Toy izay any aoriana vao tena ho taitra
Ho nenina hikiky hampamoifo
RAINMBAH ( 10/04/2009 07:47)
ANDRASO IZY !

Raha toa ka misy ny fitiavana,
Dia tsara ihany ianao miandry,
F’izy tsy haneho fandavana,
Fa hitsena anao an-tambitamby

Tsy lany andro akory ianao,
Nitsena azy tsy nahita,
Fa tena fisedrana izao,
Mba ho lesona amin’ny sisa.

Ny hamono ny anarany,
Dia fadio mihitsy izany,
Aza leo f’ianao no anjarany,
Ka aza mora mitomany.

Mba andalovy any ihany izy,
Ny fonao vohay varavarana,
Fadio mihitsy ny ho kivy,
F’izay tsilo ve hahasakan-dalana ?


Rainmbah 090409
maeva74 ( 04/04/2010 23:43)
Raitra e! Mankasitraka ny poety rehetra
fitiamirana ( 09/04/2010 20:06)
raitra marina ilay Tononkalo mifamaly sy miady !Ao tsara daholo e!:-))
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0091