Lozanao rafahafatesana (RALAIZANDRY Michel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba valio aho hoe hankaiza
ilay vadiny aman-janany
izy mpiahy sy mpitaiza
no nalainao teo antanany

Ny ray sy reniny banjino
osa vatana, ontsa fo
mahita maso fa tsy mino
tsy manaiky izay manjo

Ary izahay fianakaviany e
sy 'reo namany rehetra
raha ny tianay sy ny tiany
dia ny hiaraka hitoetra

Tonga ianao nivatravatra
tsy nijery taona akory
nampianjera ka nandratra
resy izy dia natory.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
314 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RALAIZANDRY Michel
Nampiditra : ralmich
Daty : 14/03/2023 12:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009