Alina 2 (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alina rehefa tonga
Dia mampidoboka ny foko
Fa hisy indray ny hisomonga
Ka hatonga aho hitoloko

Eeee, ny foko efa taitra
Ny tena varahontsana
Fa izy mody bonaika
Mijery anao torovana

Ny alina eto an-tany
Dia misoko moramora
Zay mampijaly sy mampitomany
Isa minitra, isan'ora

Alina tsy mety mampangina
Ny tebitebin'ny fo
Zay feno fijaliana
Sy tsy mampatory ihany koa

Dia ny maso mijery toa moana
Ny sofina mihaino fatratra
Fa sendra efa eo anoloana
Ilay zavatra no hilatsaka

Ymamiah 9/06/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
179 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 09/06/2023 07:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163