Fahazazana (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voasoratra ato am- pokoNy andron'ny fahazazana
Akanjo rovitra sy maloto
No nahitako hafanana
Vao tonga ny amin'ny ray
Mirava avy any amin'ny EPP
Dia manantevin- daharana indray
Milalao andalambe
Rehefa avy mamonjy lamesa
Dia mitaingina kalesa
Avy eo manao girisarisa
Miaraka amin'ny sahafa sy fandisa
Eo koa ny kivarivary sy tanisa
No nianarana nahandro sy nanisa
Hoan'ny tsy tia, dia namorona
Toy ny katro sy fanorona
Ny kiombiomby eo andaniny
Mandady manao katro-doha
Tena mankarary sy mahafanina
Noho ny kilalao teo aloha
Rehefa leo dia makeny antendrombohitra
Mitoraka fody,fitatra, sorohitra
Ary mamandrika tsipoy sy kibobo
Any amin'ny lohasaha feno lobolobo
Ny loza anefa indraindray
Fa tsy vato no voaray
Fa irony tana lahy
Izay mampiontana ny fo am-panahy
Dia nobedesin'i Neny
Tamin'ireny rehetra ireny
Ary notezeran'i dada
Fa diso tafahoatra angamba
Ymamiah 9/06/2023
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean BaptisteNampiditra : Ymamiah
Daty : 09/06/2023 07:24