Raha tia ianao (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mamindra fitiavana, avelao hihafy;
Tsy mila fiteny, aoka fotsiny ho tafalafy.
Tehirizo ao anaty, ny teny mamy;
Sao dia vaky sakana, very an-kamamy.

Fa nahoana no tsy mangina tsotra izao;
Mety hanjavona ny lanja, ho very ny hasinao.
Im-piry moa no mitondra onja ny ranomasinao;
Nefa tsy miova, mbola miverina foana hatrizao.

Akombony tsara ireo molotrao,
Fa ny fo efa manonofy, mitahiry anao.
Tokana ny hafatro, entiko ho laharam-pahizay,
Ny tia tsy miteny, no tena tia an-kizay.

Fo adaladala, tsy haiko ny antony,
Mandeha mitrotro anao, na dia manan-tompony.
Ny eritreritra no nosaziko mba tsy hitroatra,
Kanefa mafy loha, mbola mitady hitoetra tafahoatra.

Ny laharam-pahamehanao, toa nanjavona izao;
Na dia misy fitadidiana aza mbola miverinao.
Ny omaly tsy ho tafaverina, lasa tsotra izao;
Toy ny nofy tsy azo tehirizinao.

Ny fiainana mitondra olana, fitomaniana;
Indraindray ny finoana no mihozongozona, misafotofoto fanantenana.
Kanefa mbola mitoetra, mbola mahatsiaro;
Ny foko mbola tia, mbola manantena maro.

Tsy hisy intsony ny alina mangina;
Ho soloin’ny masoandro taratra hafaliana.
Ny ranomaso lasa raki-tsiarovana;
Fa ny tsiky sisa, ho ifampizarana.

Ny fahatsiarovana, toy ny rivotra mandalo;
Indraindray mampangatsiaka, indraindray mampangoraka lo.
Fa ny fo, raha mijoro amin’ny marina;
Mahita lalana vaovao, mifoha indray maraina.

Mamy na Ymamiah 29/08/2025
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
259 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0171