“Tadidin’ny Fanahy: Feon’ny Tolona” (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tadidin’ny fanahyny ora mavesatra,
namandrika ny fo
sy nitondra vesatra.
Tadidin’ny fanahy
ny tolona nangidy,
nampandriaka ranomaso
toy ny didy tsy fidy.
Tadidin’ny fanahy
ny savorovoro mafy,
nandrava ny nofy
sy nandratra safidy.
Tadidin’ny fanahy
ny korontana saro-toko,
namela fery mangina
sy làlana very toko.
Ymamiah 12/07/2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean BaptisteNampiditra : Ymamiah
Daty : 12/07/2025 10:15
