Tsena Asabotsy Antsirabe (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsena Asabotsy Antsirabe

Ny andron’ny Bac 22 Jolay,
No vaovao nitranga antsena Asabotsy,
Nirehatra sy kila ary may,
Zay tsy nampino fa toa nanofy.

Ilay tsena anisan’ny ngeza indrindra,
Eto Madagasikara sy anivon’i Afrika,
Tsena milamina ary mirindra,
Nefa dia potika tsy nisy fika.

Tsena anisan’ny mampiavaka,
Ny tanàna Antsirabe,
Ivarotanana ireo vokatra tsy akanavaka,
Eto an-tanandehibe.

Tsena Asabotsy mpampi-dimbola be,
Satria dia amin’ny dolara,
No miodina ao amin’io tsena lehibe,
Ngeza indrindra raha eto Madagasikara.

Indrisy anefa fa may tao daholo,
Ireo entana rehetra,
Ary tsy nisy afa-tsy tanam-polo,
No nentina nanjoretra.

Nitroatra ny afo, ka tsy nisy azo noraisina,
Niara-nitsoka ny nofy sy ny harem-piainana,
Rivotra mafana nandoro fanantenana,
Ka nivadika ho ranomaso ny fitiavana.

Eo anivon’ny setroka sy lavenona,
Dia mbola tsapa ny feon’ny fitarainana,
Tsena Asabotsy, fon’ny fiainana,
Ankehitriny potika, mangina, very hasina.

Nanjary voa mafy ny asa sy fivelomana,
Hatramin’ny dokera sy ny mpitatitra entana,
Mpivarotra maro very fanohanana,
Voarara-mandry, mifona am-piadanana.

Ray aman-dreny nivarotra tao an-tsena,
Mikarakara fianakaviana sy mpianatra koa,
Ankehitriny very vola sy fanantenana,
Ny ho avin’ny taranaka misy fahasahiranana.

Ny mpianatra maro no voa mafy tokoa,
Fa nanantena fanampiana tamin’ny ray amandreny,
Ankehitriny mijaly, fianarana miraviravy,
Tsy vitan’ny nofy, fa nofy ho very tsy hita.

Ny toekarena miakatra, dia mirodana,
Ny tsena may toy ny vovoka mikorontana,
Mifandona ny vola, mihemotra ny fiainana,
Miteraka alahelo sy fahaverezana.

Ymamiah 27/07/2025
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
190 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0109