Ampidiro aloha ny tenimiafina
TSY SAHY (RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
teny tokana iray, tsy mba sahiko lazainamampangovitra ny vavako, ka mampiasa saina
tehirizina tsy tanty, ato am-po tsy hay afenina
tiako ambara anefa izany, tsy isian'ireo nenina
teny tsotra iray monja, no ambarako aminao
somary kely fa mafonja, dia ny hoe: "TIAKO IANAO"
efa ela no nitoetra, fotoana maro tsy voafetra
nefa izaho tsy nety sahy, fa mbola nisy ahiahy
miahotra aho ny anolo-tena, hiresaka aminao
midoboka mafy izany foko, manery ahy tsotr'izao
mitempo mafy hatrany hoe: io fa aza avela
mandrisika ahy hiteny, fa tsy misy iandrasan'ela
rahoviana re vao tsapanao, 'lay ato am-poko ato
ilay fitiavako mangina, feno zato isan-jato
tiako mantsy mba hitoetra, ho anao sy ho ahy
fa ny amboraka azy tsy hay, ary toa tsy mba ho sahy
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Ratsikiniaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMIARAMANANA ALAIN PATRICKNampiditra : rapah.alain
Daty : 16/04/2013 12:54
