FISARAHANA (RATOVOARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hadinonao angaha lay andro fahiny
Niaraha-nifaly ka feno koràna
Nanjary hatsiaka sisa ankehitriny
Lay andro baliaka sy tena nafana

Lay ankanim-pitiavana noravànao
Nilaozan'ny andry ka he migodàna
Ny alahelon'ny foko raha saraka anao
Ritra sy maina ilay fatsakàna

Raha ny masoandro no efa lasa ka nody
No hilentika ao foana tsy hitondra maraina
Ny fanantenana tsy maintsy ho tody
Ho avy hibaliaka toy ny kinta-maraina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1834 1
Mpakafy: Bazily
Hevitra mandeha
endrika01 ( 23/05/2008 11:20)
Nilaozan'olon-tina angah hono i Ratovoary?
mety kah tohizo!
RATOVOARY ( 23/05/2008 12:11)
Tsia !
Vetso io ary aingam-panahy koa.
Atolotro ireo ze donam-pitiavana io
nixmada ( 10/07/2008 11:38)
Tsara tokoa ilay izy, misaotra manana talenta ka nnamoaka izany ho anay!mazotoa e
RATOVOARY ( 11/07/2008 07:37)
Misoatra @ fanohanana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATOVOARY
Nampiditra : RATOVOARY
Daty : 19/05/2008 06:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.013