ELANELANA (Ravo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ELANELANA

toa hoe misarim-basy
ka notapahina ny peniny,
ary ireo ravin-taratasy
koa nodorana, ... tsy ho neniny.
fa ny poeta raha mijoro
tsy voatery ho an'ny soratra
fa ilay fanahy tsy tiana hikoro
zary havatsa sy koa holatra
no tena famantarana
ny hafatra ampitainy
mba ho fahasambarana
ho anao ry sombin'ny ainy.

dia ilay Fanahy avy amin'ny tany
miainga hanani-danitra!
hafatry ny androany,
misoratsoratra hoe finaritra;
elanelam-piainana
mandravarava fandrafiana,
elanelan-tsoratra
manafoana fiandaniana.
izany ilay fanahy voahavatsa :
tsy am-boky aman-gazety
fa amin'ny tolona sy antsa
maneho fa tena hoe POETA.

Ravo na André Vonjitsoa Rakotoarivelo
--------
Lien:
Catégorie : Literatiora - Ahy
187 1
Fans: TosakaMg
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ravo
Inséré par : TosakaMg
Date : 07/10/2025 13:03
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115