FANORENANA (Ravo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fanorenana

ny hoe manorina ry zandry
dia manetry ny havoana,
mandravona ireo kitaontaona,
mitady ny mafy tsy hihotsaka
mba hanorenana ny fototra.

Ka ao anatin’ny herin-tsandry
No andatsahana ny vato
Sy iasàna tsy miato
Tandroana mafy tsy hikoro,
Arovana fa tiana hijoro.

Ireo tompon’antoka rehetra
Dia mifarimbona avokoa,
Fa tsy misy izay mifampitazana.
Tsy misy mitaredretra
Fa samy miasa amin’ny fo.
Izany no atao hoe: manangana.

Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Rohy:
126 1
Mpakafy: TosakaMg
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravo
Nampiditra : TosakaMg
Daty : 17/10/2025 19:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117