FOTOANAN'NY ASA (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fotoan'ny asa izao no fotoanan'ny asa
ka mifohaza amin'izay,
afoizo ny fandria-mafana
sao ilaozam-balala eo ialahy.
izao no fotoanan'ny asa
ka mba kingakinga ry akama,
mahaiza mandray ravin-deno
fa tsy ilaozana misalasala.
izao no fotoanan'ny asa
ka aza ilaozana mitatasiaka,
tsy tranom-borona io ka ho vitan'ny vava
na hanaovana vovon'aliaka.
izao no fotoanan'ny asa
ka aza variana mitokona,
tsy hisy sotro hiakatra am-bava
raha tsy ny tanan'ialahy no mivonkona.
izao no fotoanan'ny asa
ka mitsangana dieny malaina,
tozohy ny dian'ialahy
fa aza miandry hafa antenaina.
(tononkalon'i Ravo na André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO)
--------
Rohy:
Mpakafy:
TosakaMg
