HITAKO IHANY ... (Ravo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hitako ihanyPar ravo
Ianao ilay nofidiko
tao anatin’ny tsy misy
Fa nofinofiko ihany :
Hitako androany.
Ianao ilay nofidiko
Tsy hampisy ny “indrisy”
Raha sendra diso lalana:
Io fa eo am-baravarana.
Ianao ilay nofidiko
Hotoloran-tanana
Any aoriana any, ...
Io fa hitako ihany.
Amin’ny sarotra hodiavina
Sy ireo mamy hotiavina :
Iriako ho eo ianao!
Anatin’ny mangidy
Sy laza hifandimby :
Ianao no tiako ho ao.
Ianao izay mahatsapa
Ny ho avy sy ny lasa,
Ombana fitarainana!
Ianao no tiako hahita
Ilay paradisa
Voaomana ho fiainana.
Ravo (André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO)
--------
Lien:
Catégorie :
Literatiora - Fitiavana
Fans:
TosakaMg
