ity sambo ity (Ravo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ity sambo ity

raha tojo andro sarotra
ity sambokely ity
iza no haharitra
hanohy izany dia?
hanodina ny lay
hahatohi-drivotra,
hanainga ny fivoy
hanosika tsy hihitsoka?

raha mitady ho rendrika
fa sangian'ny onja,
iza no hanenjika
sy hanakiana ny mpitondra?
iza no mpiampita
mbola hanome tsiny
sy ho sahy hanazimba
ilay mpitarika iny?

raha mitsingilahilan'
ny tafiotra mazana,
iza no hangina
sy fotsiny ho mpitazana
fa tsy handray anjara
mba hanome hery
sitrany ahay tsy ho rava
ireo ezaka ombieny?

rehefa injay mitranga
ny anivon-drano irery
dia hifampivazavaza ve
rehefa mifampiteny?
angamba mainka ho loza
no hanjo ity sambo ity
raha ho variana hifanompa
ireo mpiara-dia.

Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Rohy:
327 2
Mpakafy: TosakaMg - TSIMALAHY
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravo
Nampiditra : TosakaMg
Daty : 20/10/2025 16:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115