KILALAON-JAZA (Ravo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kilalaon-jaza

Tsaroako fahazaza
ilay mipetrapetraka
ao ambanin'ny sosety;
hitako ho tena tsara
sy feno ery`ny alokaloka:
tranokely tena mety.

na manaikitra ny moka,
angaha nisy nitsoaka
fa nampiana sangy aza.

Tsaroako ihany koa:
tanaty akondro no niery,
nilalao ankiafina;
na nifanosika aza moa,
ilay mifampitady ireny
no tena nahafinaritra.

Na voaloton-dinty
dia samy nihafy mihitsy,
... fa izany kay fahazaza.

Dia tiana hotohizina
anaty hatanoràna
izany lalao izany.
Mankarary nefa fìzina
izay mety ho hadalana
no fiainana androany.

tononkalon'i Ravo na i André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Rohy:
174 1
Mpakafy: TosakaMg
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravo
Nampiditra : TosakaMg
Daty : 09/10/2025 09:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117