SORONA (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SORONA Nalaza tato ho ato fa misy ny halatra olona,
Ny tena antony tsy fantatra fa hoe misy manao SORONA!
Moa misy ny mpisorona mpandatsa-drà, mamono?
Andeha havadika ny pejy tsy ho voaloton-konohono.
Izaho manko mba mpisorona tsara ofana tan-tsaha,
Voatefy hanangan-tsandry tamin’ny asa aman-draharaha,
Zatra kitono-mangahazo sy vomanga tsy analàna
Ka mahafehy ny sorona afo na an-tsaha na an-tanàna.
Izaho manko mba mpisorona ampoky ny fialantsasatra,
Mianoka ny kolontsaina: tafasiry sy ankamantatra,
Mahavory mpianakavy an-takariva amorom-patana
Sorona afon’ankohonana fanorenana hasambarana.
Fa eto aho dia manavaka fisaorana tsy azo afindra
Ho anao izay nahatsiaro ahy hoe MPISORON’NY AVO INDRINDRA.
Tsy ihamboana ho mahavita satria tsy sorona afo no ao
Fa ankasitrahina Azy Tompo, nitantana hatramin'izao.
ary koa misaotra anao nanohana sy nankahery,
na tamin'ny androm-pifaliana na sendra kizo mahavery,
misaotra anao izay tena akama tsy manary na mandao;
ny hany tokana hambara dia ny hoe : misaotra anao.
André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO, 18 sept 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Sorona
Mpakafy:
TosakaMg
