TAPAKA HEVITRA (Ravo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAPAKA HEVITRA

Tapaka hevitra aho fa hovelariko ihany,
Hahafahako milalao ny peniko eo aminy...
Izaho manko tsy manana izay hentina ho any
Amin’ilay malala miandry ao amin’ny akaniny.

Tena tsy ho vitako, izaho tsy mihambo...
Ka aza manantena kintana, fa ireny tsy sahaza;
Teny an-jaridaina aho, nikasa hioty voninkazo,
Fa ireny ve haharitra na ho tongako any aza?

Dia tapaka ny hevitro fa sombin-tononkalo
No andeha hatolotra ho anao sy hamboraka
Izay tokony holazaina rehefa tonga any.
Ny tononkalo manko tsy teny mandalo
Tsy zavatra miserana, na fotsiny hoe soratra
Fa tena mitoetra hatrany am-parany any.

RAVO
--------
Rohy:
206 1
Mpakafy: TosakaMg
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravo
Nampiditra : TosakaMg
Daty : 07/10/2025 16:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118