TS'ISY RANO (Ravo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofiko halina iny
fa tsy afaka aho niaina,
sempotry ny etona
nateraky ny baomba
raha leo ny setro-piara manerana tanàna,
leo ny donan-tsetroka nandoroana ny ala;
fa ts'isy rano hono ka izay no ifamaliana
amin'ny tora-bato sy fitaovam-piadiana.

dia tsy afaka aho niaina
tamin'iny alina iny
ka satriko ianao hentina
hirifatra, himaona
hitodika ny lasa nandravana ny tontolo,
nampitombo ny tsy an'asa, nampalaina ny mpikolo;
fa raha ny rano no efa maina, inona no hotenenina?
"ny tody, hono hoe, tsy misy fa ny atao no miverina.

teto manko fahagola,
niainan'ireo razambe:
rakotra ala mahafinaritra,
nahatehonina aoka izany;
niriariavan'ny rehetra tanatin'ny fifankatiavana,
hatramin'ireo biby aza dia nolazaina fa hoe havana.
lavitry ny resaka etona, tsy nihevitra izay mety ho angano;
lavitry ny fiheverana fa mbola ho ritra ange ity rano.

saingy tatsy ho atsy kosa
iza no niaina teto?
iza no tsy nahay niaritra
ka namotika ny tany?
ilay ala mpamatsy loharano, ala famangin'ny orana;
efa may avokoa ka miha kina koa ny tany,
hamaizinin'ireo setroka, misedra karazan'olana
ka tsy ho afaka aho hiaina, izay no nofiko androany.

(tononkalon'i Ravo)
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - Ahy - Fiaraha-monina
254 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ravo
Inséré par : TosakaMg
Date : 07/10/2025 07:40
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0144