LAMAODY ANKEHITRINY (RAVOSON)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAMAODY ANKEHITRINY

Mihazakazaka ny fivoarana ara-teknolojika
Ny fandrosoan'ny vahiny no aparitaka
Diniho anefa fa, tokana hatrany ny lasibatra
Dia ny vahoakan'ny kontinanta Afrika

Tsy hay intsony ny hanavaka ny vavy amin'ny lahy
Samy mipataloha rovitra ny volo voataly
Miboridana na eo hanatrehan'ny olom-pady
Ka manao fandihy ambony sy ambany

Ny hasin'ny maha mendrika ny vehivavy
Dia voahosihosy natotongana ho ambany
Tsy nahandry intsony teny mamy voakaly
Ka nirintona hamboraka ny fitiavany ny lehilahy

Miverina ny vanim-potoan'ny mitady ny very
Ny soatoavina malagasy efa zary tsy fiteny
Fa ny fahavetavetana no nasolo azy ireny
Navadikin'ny tsy tontan'ny ela ny fahiny
Ireo hono, Lamody ankehitriny.
RAVOSON
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
626 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAVOSON
Nampiditra : RAVOSON
Daty : 10/07/2019 05:09
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117