DADA SY NENY (rfra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DADA SY NENYDada sy neny dia fitiavana
Izay mananatra ary koa mampihavana
Miteny am-pahendrena sy am-pitiavana
Amiko izy ireo , dia mendrika ho firavaka
Dada sy neny no masoandro nivoahako
Mitondra ny mangidy sy miady isan'andro
Fitaratra ho ahy sy ho fiarovako
Izay fototrin'ny aiko ka ho hajaiko
Dada sy neny no modely
Mendrika hajaina fa tsy hoe "anjely"
Tsy mba manavaka na ny lehibe na ny kely
Mamy sy tokana i dada sy neny
2004
Faraniaina RAKOTOARIVELO
--------
Rohy: