RESIN'NY TIANA (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra ny tia kanefa tsy tiaviana
Sambatra ny mila kanefa dia nolavina
Fa izy ireny lempona hiangonan’ny natiora
Mandavo ny andrarezina hideky moramora

Tsakaina avy ao ny sento, maratra koa ny fo
Mandevy sy maneko, mamaky asa aloha
Kanefa satry foana hiaina anaty ao
Lay fery manaintaina itiavako anao

Ho anao lay te hanombo ny retsiky ny foko
Ho anao lay te hamono ny fitiavako
Mandainga ianao satria mahery ny fitia
Fa na afenina aza tsy foana sanatria
Ka tsy fanahiniana ny resin'ny Tiana
--------
Rohy:
1528 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : rhad
Daty : 24/01/2013 16:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098