Hatraiza....???? (Rkt Erimady)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HatraizaKa mankaiza
Ny fetranao Rafialonana ?
No manimba
Sy manazimba
Ny fihavanana
Izay ananana
Ka manjary
Toa manary
Havana aman-tsakaiza
Ka hoy aho hoe:Hatraiza ?
Hatraiza ihany
No manjary
Mahazo laka
Eto an-dapa
An-dapam-piraisankina
Nefa lasa gina
Noho ianao
Sy ny herinao Rafialonana
Teraka ny fiavonavonana
Fa nandresy Rafialonana
Lasa mpifahavalo ny olona
Toa nisaraka,tsy 'ray tolona
Lasa mpifanandrina
Mifamaky tapik'handrina
Noho i Rafialonana
Hatraiza ihany
No manjary
Mahazo laka
Eto an-dapa ...?
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina