Madagasikara (Rkt Erimady)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry GasikarakoTanindrazana malalako
Tanindrazana tsy foiko
Sady tsy mba ho soloiko
Ianao 'lay tany mamiko
Ianao koa no andrianiko
Ianao ilay tsy hadinoiko
Fa nilatsahan'ny tavoniko
Teto aho mantsy no teraka
Eto koa aho no mipetraka
Ka rariny loatra raha mankasitraka
Ny fitiavako anao tsy asiako fitaka
Ka vonona aho ny hanaja
Ny tarigetra izay malaza
Vonona koa aho ny andala
Ny fahendrena eo aminao ry Gasikara
Ka mandra-pialako eto an-tany
Dia vonona aho ny hanompo anao hatrany
Satria izaho dia Anao
Ary Ianao dia ho ahy ry Madagasikarako
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana