Ireny rehetra ireny (Rova Jahcs Ratsimbazafy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko izay antony tena nisiany
Mety hoe rendrarendra na fahataitairana?
Nitsiry tanaty fa efa niriany ny
hitondra anjara biriky amin'ny fiainana

Dia niforona teny mba ho hitam-bahoaka
Nanaovana izay azo atao mba ho re
Ilay nampitsamboatra sy nampisafoaka
Ilay asa naseho ao anaty kahie

Nandany andro aho nandefa ny fisainanako
Izay mety hoe ho lesoka rehetra nampiako
Voafehin'izao teny izao ny ahy fiainanako
"Nanome ny herim-poko ho an'ny zavatra tiako"
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
258 2
Hevitra mandeha
Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR ( 02/07/2023 17:09)
Momban'ny fiainako izy ity , fehin'ny fiainako sy ny siansa
hery ( 02/07/2023 19:27)
Mafonja, mahafinaritra. Misaotra.
Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR ( 02/07/2023 22:43)
Mankasitraka indrindra
Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR ( 07/08/2023 10:36)
Misaotra betsaka an'Ikalamako fa tena hainao ohatran'ny nieverako azy ny namaky ilay izy.. Mankasitraka indrindra oh
ikalamako ( 07/08/2023 20:05)
Tam-pifaliana foana r'ise a ! Mandrosoa hasina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rova Jahcs Ratsimbazafy
Nampiditra : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Daty : 02/07/2023 17:08
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135