FIAINANA (Safo siaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainana anefa miroso mankany,
Mizotra mizotra amin'izay hitodiany,
Mifangaroharo ny ngidy sy mamy,
Toavina foana amin-javatra tiany.

Mbetika mirana ianao, falifaly
Fa sendra ny zavatra ela nirina;
Tampoka indray tambesaran'ny jaly,
Mamoy 'zay tsy foy mba nokajikajina.

Ny fiainana anefa tsy miandry na miato,
Miridana lava, manasatra foana.
Ataovy ny kajy fa folo amin'ny zato
No hany mba tony ny zara fotoana.

Raha mianatra ianao: hazakazaka lava,
Manenjika an'itsy, mamonjy an'izatsy;
Raha miasa: mikendry ny hohanin'ny vava,
Manomban-tahiry, mandrefy ny vatsy.

Ny fiainana kosa tsy fiainana akory
Raha mamy tsy miova no tsapa eto an-tany,
Tsy ngidy mafaitra doria mampahory
Fa fangaron-tsiky aman-kiakan-tomany.

Safo siaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana - fiainana
928 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Safo siaka
Nampiditra : Safosiaka
Daty : 08/03/2015 14:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134