TSY MIDIKA HO .... (SOLOFOARIVELO)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny filazalazana ny marina
tsy midika fanitrikitrihana.
Misy rariny mila fantarina,
Misy hitsiny mila dinihina.

Aza raisinao hoe fanoherana
ny antso vonjin'ireo miatrika olana.
Mba miangavy fa aza itezerana!
Manantena masoandro amam-bolana.

Misy ratra any am-pon'ny voadona,
Fanafody no ilain'izy ireny.
Ry mpitondra ô! Miangavy...! Mifona...!
Osa ireo matoa tsy afa-miteny.

Izany indrindra aza no antom-pisian'
ny solom-bava hitaky hetaheta.
Tsy filàna voatsiary no irian'
ny soratsoratra ataon'ny poeta.

Lopy ho an'ireo namana jamba,
Seza atosika ho an'ny malemy.
Ny poeta no solon'ny lamba
ho an'ny ory izay tsy afa-miteny.

Tsy miandrandra takalo aman-tsanda
raha mandrafitra hiaka maratra.
Saingy vonona ireo ny ho manda,
Vonon-kiaro ireo olo-mahantra.

Tsy izay hevitra foromporoniny
no itifirana anao izay mitarika.
Ny akon-tsento no voatonontonony.
Raha voahitsy ianao dia aza mangarika.

Ny filazalazana ny rariny,
Tsy midika hoe be mokon-doha.
Foto-kevitra tena vokariny?
Ny manaitra anareo mba hifoha!

......S O L I M A H ......
10-08-25
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
36 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : SOLOFOARIVELO
Inséré par : SOLIMAH
Date : 10/08/2026 18:48
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0104