KISENDRASENDRA (Tandrify)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro niavaka teo amin'ny fiainako
Andro sarobidy kanefa andro iray
Nifantsika am-po sy tamin'ny fisainako
Ny nihaonako tamin'izay olona izay

Tsiky nandalo, tsy nitoetra akory
Tsiky nandrehitra ny afom-pitiavako
Nanaitra ny foko 'zay sondrian-tory
Ilay nifanatrika tamin'ny tavako

Andro tokana monja, tsy niverina intsony
Andro mamy, kanefa, nanjary nafaitra
Fa ny foko nidoboka tsy mba nitony
Dia nahazo hasambarana namela takaitra
08/04/2021
--------
Rohy:
65 1
Mpakafy: Tandrify12
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tandrify
Nampiditra : Tandrify12
Daty : 22/09/2024 09:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133