Any koa dia misy (Vonjisoa ANDJANIRINA 2.0)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any koa dia misy mamy
Azonao sotroina foana
Rehefa sendra ianao tomany
Ninon'inona fotoana

Any koa dia misy hira
Mbola azonao hiraina
Rehefa misy fifaliana
Na koa sento na taraina

Any koa dia misy kalo
Mety ho azonao kaloina
Rehefa injay fa hoe mandalo
Ireo tsiaro ka tsaroina

Any koa dia misy Ray
Avo nohon'ny avo indrindra
Ary Ray Mandrakizay
Izy no entinao mamindra

05-04-22
--------
Rohy:
354 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA 2.0
Nampiditra : Vonjisoa-andjanirina
Daty : 07/04/2022 11:33
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.209