Rajako gasy sy rajakom-bazaha (Tianjara RAKOTOANOSY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny an’ny tena miavaka raha samy tany
Tsy ananam-piry sy tsy ananan’ny maro
Mitsiriritra ny any ivelany mba hiaro
Ireo,efa nisy fahagolantany very fahatany

Hikaroka sy hanovo-hanoro ary hitsidika
Nandany vola maro raha nande nisidina
Zovy amin’izany moa ny mahazo tombony
Avy lavitra any izy fa tsy mba mila tambiny

Eny e!
Ny an’ny tena moa dia ihomehezana
Ny hafa; te hianao hiara-hirako-damba
Ny an’ny hafa botrabotra iray fehezana
Ny tena ‘ty mihasola volo misy sanga

Tsy mba fody an’ala intsony tatoato
Sady toa miverimberina any sy makato
Tsy mba vony intsony fa mjinja an’ony
Kely mantsy raha ny azony fahiny

Avela koa hanararoatra mandra-maty
Tsy mba misy intsony tonga saina
Kelikely dia ho tonga atsy hoatsy
Ny ady raha ny tena ity kely aina.

15/11/22
20:32
--------
Rohy:
181 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tianjara RAKOTOANOSY
Nampiditra : Tianjara99
Daty : 04/03/2024 14:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731