Ny momba tsika (Tita kely)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandefitra sy niafy fona aho hatramin'izay diaaa
Niezaka namikitra ny tananao mba ho ahy
Ninia nikipy maso raha nahita anao nanditra faaa
Ankehitriny saina tonga fa tsy anjara ny amtsika

Niezaka nanery ny anjara hifanandrify
Nahita ireo adalanao anefa mbola mitampify
Isak'alina aho tomany anefa enao tsy nampitsiky
Dia....ireo ezaka nataoko ankehitriny lasa indrisy fa....

Ilay orokao toa lasa antsy nanindrona ny vatako dia...
Ireo safosafonao lasa tsilo nampitombo ny ratrako
Ilay tsikinao toa lasa hantsana mandemy ny hasambarako
Mazava bé Ilay teny hoe toa tiko enao fa halako

Tiko tamin'ny foko nefa alaiko amin'ny saina
Nampijaly ahy teny fona nefa mba najaiko
Ekeko ho paradisa nefa koa toa afobe
Raha nisy kely aza dia saika nafoiko hatramin'ny aiko
Toa tiko enao fa tsy haiko??
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
34 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tita kely
Inséré par : Elinarivo
Date : 28/01/2026 07:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0298