ZARAIKO NY FAHANGINAKO (Tonton Sii)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZARAIKO NY FAHANGINAKOMety ho gagagaga ianao hoe : « hafakely kosa raha izao no hoe lohateny ! »
Fa io re no hitako hamehezana ny teny lalim-paka tsy voafafa midorehitra ao anatiko…
Fisedrana arahin-desona nampiainga ny inspiraka
Tsy kanto atao ho vakoka, tsy mikajy miandry sitraka…
Zaraiko ny fahanginako satria :
Rehefa tsy mangina hono dia malemy
Rahefa tsy mahaloa-bava dia kanosa
Rehefa very hevitra tsy mahita ambara dia resy
Faharesena tsia, fahalemena, sanatria
Ny fahanginana tsy midika fileferana
Fa paik’ady mba noraisiko hahafahako misento,
mampitony ny hatezerako, mampiena ny alaheloko
Ny fahanginako lehiretsy tsy kanosa fa mpandresy,
Mba hahafahako mivavaka mibanjina ny hoavy,
ary tsy vonton-dratra ho kilema atsy ho atsy…
Mba hahafahako mandinika ny fandrikao rehetra,
izay mikasa ny hanimba sy hamotika ary handetika…
Ny fahanginako ?
Safidy tsy an-tery, mampitony mankahery
Noratrainao aho, nofitahinao, notevatevainao,
ary haizi-mankadiry tsy voafaritro fa mafy,
no niatra tampotampoka, tsy ampoizina hahafaty…
Tsangan’olona maratra, sisam-paty mangatsiaka,
no sisa mba tavela, satria lavo tsy afa-miarina
Ka dia nisitaka nisento, maka saina aloha hatreto,
mba ho afa-mitomany, Fahanginako izany…
Tsarao aho, hesoy, tsikerao, fa fahanginako izany…
Hafahafa aho, kanosa, mangina tsy miteny,
manidy ny varavaran’ny foko,
tsy te hahalala an’iza n’iza, fahanginako izany…
Dia zaraiko ny fahanginako, mba ho tsapanao mihaino
Fa ny ratra dia takaitra manimba sy mandrava
Zaraiko ny fahanginako, mba ho fantatrao androany
Fa tsy hoe fankahalàna, avonavona mandalo
Fa fotoana hisitahana handinihako ny fiainako
Ary tena nahatsapako fa izao ihany no hasambarako
Ay teo vao tena hitako ny tena hasambarana ?
Tsy fanomezana miankina amin’izay malala-tanana
Fa ny fahaizako mandamina ny fihetseham-poko
Tsy miandrandra an’iza n’iza fa ‘zaho ihany patron-ko…
Zaraiko ny fahanginako sao mba hahasoa anao…
Zaraiko ny fahanginako amin’izay mba tsapanao…
Aza kivy raha voaratra ka dia maika hamoy fo
Fa mijanona, mandiniha, misitaha raha tena voa
Mivavaha dia aza kivy ny hanova ny famindra,
ny hasambaranao ry akama aza ankinina amin’iza n’iza
Ka dia zaraiko ny fahanginako sao mba hahasoa anao !!!
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hevitra mandeha
hery
(
04/12/2024 21:45)
Misaotra tamin'ny fiantsana ilay tononkalo