TSY...FA ALAHELO (Tsikia Fitoky)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY.....FA ALAHELOTsy ditsoka aho fa mitomany
Tsy misento fa tena migogo
Gogogogon’ny fo malahelo
Alahelo miteraka elo.
Tsy maso main-drongony
Fa menan’ny saina tsy tony
Tsy vatana havenan’ny toaka
Fa nofo torovana loatra.
Tsy kalo fanao takariva
Fa baheza amim-peo ivaiva
Bahezan’ireo mpiandry faty
Mahangoly ny fo ao anaty.
Tsy embona ireo havan-tiana
Fa alahelo ilay tiana nafoy
Hihoatra any am-pasa mangiana
No anton’izany re roy
TSIKIA Fitoky
09h-06
23-02-2021
--------
Rohy:
Mpakafy:
FitokyTsikia
