Ilay hafatrao (Vahabahinala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lIay hafatrao


Tsy fantatro na ahoana fa toa zary varimbarin’ny alahelo anao ny ao anatiko ao
Reo hafatrao nisesy tanaty ny findaiko,voajeriko impolo,mampita sento vao
Dia lasa ery ny saina ….miandry …hafiriana indray ny tafa vaovao
Raha vao mahare mozika "milaza tonga hafatra", ny saina any aminao

Rehefa sendra irery,mba makamaka aina,dia manina anao,
Dia alefa ny eritreritra haminany mora hoe: eo anilanao
Hakipy aloha ny maso,avokona ny rantsana: any zay ianao
Zao nefa aty mangina manirery,miandry ny hafatrao

Rehefa ndeha hatory ny hany tonom-bavako,hihaona aminao
Dia revo ery ny saina,ny fo tsy hay lazaina,mikiaka anatiko ao
Hafiriana ihany ity fialan-tsasatra hahitana ny endrikao
Fa izao aloha dia faly ery ka faly mamaky ny hafatrao

Any ianao izay ry evan’ny fitiavako,izaho miangavy anao
Raha azonao atao mba andefaso ndray hafatra vaovao

VAHABAHINALA
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
1200 0
Hevitra mandeha
lova26 ( 03/04/2012 14:29)
ndriiiii mapalaelo kely
lova26 ( 03/04/2012 14:29)
ndriiiii mapalaelo kely
spicatantely ( 28/04/2012 05:23)
Ts aleo atao oe raovin vo taptr ity grevn papianatr ti?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vahabahinala
Nampiditra : Vahabahinala
Daty : 31/03/2012 19:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137