NY AO AMIN'NY FIAINANA (Verokely Fianaroise)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro no hita ao amin'ny fiainanaBetsaka koa no tsapa ao aminy
Ao ny fifaliana sy ny fanaintainana
Tsapa ao koa ny ngidiny sy ny maminy
Misy ambony, misy ambany
Na koa ny iva sy ny avo
Izany no fiainana eto an-tany
Ao ny miarina, ao ny lavo
Ao koa ireo zaza kamboty
Izay misotro ny mangidiny
Tsy mba afaka niangoty
Satria nilaozana tsy fidiny
Misy ireo mpanefoefo
Izay tsy mifaditrovana
Fa manindry ny marefo
Sy ireo fadiranovana
Ao ny faly havana ory
Izay tsy mba tonga saina
Ka tsy mba fantany akory
Fa izy ireo no iray aina
Ao ireo mitonantonana
Izay tsy mitafatafa
Fa mampihatra fialonana
Hamotehana ny hafa
Ao ireo ingain'ny vintana
Dia miavonavona aok'izany
Mihevitra hoe efa eny amin'ny kintana
Ka tsy mijintso ny hiafarany
Ao ny faly, dibo-kafaliana
Izay mahatsapa fahasambarana
Ao ny mijaly ampahoriana
Izay tsy mahita ny mangirana
Ao ireo mampijaly
Izay tsy mba manana fo antra
Ao koa ireo izay faly
Manararaotra ny mahantra
Ao ireo mpifankantia
Tsy ankasitrahan-dray aman-dreny
ka zary toa maniasia
Sady toa mangeniheny
Ao avokoa izao rehetra izao
Ka tsy ho voatanisako daholo
Ka mivonona dieny izao
Fa izany no eto amin'ny tontolo
Mbola maro no tsy voatanisa
Ka aza manome tsiny fotsiny ihany
Fa anjaranao ny mamisavisa
Fa mbola ho hitanao izany
--------
Rohy:
Hevitra mandeha
fenohasimpitia
(
08/05/2015 07:25)
Tena be sentiment b Madama zany a! Marina ts mis kianina reo vĂ´lazanao reetra reo fa merci bcp e!
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Verokely FianaroiseNampiditra : verokely Fianaroise
Daty : 06/05/2015 20:05