Fihina (Zazangaly)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMA teto imolotro
no natolotro,
fa ny azy: tsy nampoiziko
FIHINA.
Tsy misy alaharo
Tsy mila atsaharo.
Fa fihina.

Fa namihina izy
Satria fihinany
Hono aho.

Fa namihina izy
Ka...
Ny foko dobodoboka
Fa matimatin'oroka
ny molotro
nokaikeriny.
ny vatako , natolotro
notairiny
tamin'ny tanam-pelipeliny.
Dia
niampita ny fijeriko
Teny am-baravarankeliny.
Nahita ny volana aho
Nianjaka tanteraka izy
Nandre ny feony
aho.
Kanto ny mozikany.
Nitsapa ny hatreony
aho.
Ka henoko ny feony
Sy fantatro ny halalin'
Ny fatra-pitiavany.

Dia nikimpy izy ,
Nikimpy aho.
Tao an'eritreritro
No namiratra ny jeriko,
Ny takolany amin'io
Somary nokaikeriko.
...
Dia nafotaka ny ady
Ilay "veloma" teo,
Sahady
Niova ho soavamandry.
Nandry
Niara-nandry.
Niray lamba teny ho eny...

Tsy nisy sahy niteny,

Menamenatra izy
Kanefa tena sambatra.
Menamenatra ahy
Kanefa tsy manahy
Fa fomban-javatra io
Hoy aho.
iainana ny anio
Dia amboloina ny haniny
Mbamin'ny Nofo maminy.
Fa tsy anjarantsika ny mamaritra
Ny hoavy tsy ho voafaritra.
Ny antsika dia ny miaina ihany,
Dia mahay manararaotra
Ilay fotoana mamy
Omen'ilay androany...

Dia
Nisambaranay ny fiadanana
Ka hoy aho
Tamin'izay
Rahampitso indray
Vao miverina ho mpinamana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
606 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zazangaly
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/06/2020 06:09
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213