HO SORATAKO IHANY. (ZO-NILAINA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho soratako ihanyizay miafin'ny foko,
noezahi-nafenina
hatramin'ny omaly.
.
Ho sorotako ihany
fandrao ho toloko
tsy haiko sitranina
no hiafaràny.
.
Ho soratako ihany
na dia tsy finidy,
Asosako mora
'ty peniko manga.
.
Ho soratako ihany
ho diary tadidy
ny ngidin'ny fiainako
efa nitranga.
--------
Rohy:
Mpakafy:
Djess - ZO-NILAINA