Hampiditra sary Nampiditra : voromanoa
Daty : 13/07/2007 08:47
Nijery : 1234
Tononkalo: 3 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

I V S ( Ilay voromailala sariaka )

Ranarisaona Raymond no anarako , fantatra ny skoto hoe NAGA Manoa ary mitondra io solon'anarana IVS io eo amin'ny sahan'ny asa soratra , 37 taona aho manambady miteraka vavy kely roa 7 taona sy 5 taona , mpianatra pastora izahay mivady any amin'ny STPL Ambatofinandrahana taona fahatelo ary mamita ny fianarana ao ny jona 2009 .Natao ordinationa ho pastora tao amin'ny FLM Ambatofinandrahana ny taona 2009 ihany, Notendrena hitondra ny Fitandremana Ambohibary Filadelfia , ao amin'ny Fileovana Ambatofinandrahana ihany sady nanohy ny fianarana hahazoana ny diploma baccalaureat en theologie tao amin'ny STPL Ambatofinandrahana ihany ( 2009-2010). Notendrena indray hitondra ny Fitandremana Ivory Avaratra, Fileovana Mahamanina rehefa nahazo io bacc en theologie io , sady nanohy ny fianarana theologie teny amin'ny SALT IVORY AVARATRA mba hahazoana indray ny diploma licence sy maitrise en theologie. Niaradia tamiko hatrany ny vadiko satria samy nianatra theologie izahay roa. Nahazo lahy kely izahay nandritra ny Dianay tao amin'ny SALT Ivory Avaratra, telo ny zanakay hatreto. Rehefa vita ny fianarana ka nahazo io diplome maitrise en Theologie anay mivady , heritaona tafaran'ny nahavitana izany dia notendrena hitondra ny Fitandremana Lovasoa Mahazengy, Fileovana fianarantsoa izahay, avy eo koa dia nitondra ny Fitandremana Beravina Fileovana Ivory Avaratra, teo koa nanaraka izay ny Fitandremana Soaindrana fileovana Avaratrivatoavo, ary amin'izao hanoratako izao dia notendrena ho Aumonier ny Lycée Loterana Ivory Atsimo mirafitra amin'ny Fitandremana Ivory Avaratra indray izahay.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/i-v-s-ilay-voromailala-sariaka
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146