Ny fitondran'ilay nahary (I V S ( Ilay voromailala sariaka ))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitondran'ilay Nahary

Vao nitsaika tao ambohoka
Eny mbola tsy niteny
Dia efa teo antanany
Ka notrotroiny sy notanany

Vao niantsoantso neny
Ka nibada niantso dada
Dia efa notolorany
Ny fiarovana sahaza

Raha vao niditra antsekoly
Ka nahatsapa sorisory
Dia nomeny fitsikina
Mba ho namany mangina

Raha niroso ho zatovo
Ka jomoka toa olo-jobo
Dia nantsoiny , notantanany
Mba ho voaaro satria namany

Rehefa tojo ny hisafidy
Ka ho sendra ny mangidy
Dia indreny fa nantsoiny
Tsy handao ny tempoly

Raha navelany hiasa
Ka hihevitra fa tojo ny kinasa
Dia nozariny hitodika any
Mba tsy ho rotiky ny tany

Indro izy momba hatrany
N'inona zava-misy eto antany
Ny fitondran'Ilay Nahary
Efa voasoritra hatrany hatrany

IVS
13/07/2007
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
928 1
Mpakafy: mahitsih
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : I V S ( Ilay voromailala sariaka )
Nampiditra : voromanoa
Daty : 13/07/2007 09:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014