Ny Fitaka (I V S ( Ilay voromailala sariaka ))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Fitaka

Hery iray mirimorimo
Mahapotraka ny maro
Ka tsy hainy ny hanadino
Ny Fitaka mifangaroharo

Tsy hoe vazivazy
Na atao ho rainazy
Fa hevitra iniana hatao
Ny Fitaka fa tsy kilalao

Hevi-petsy ao an-doha
Mifono fitiavana ny tena
Tsy mitsinjo ny ho voa
Fa ny mahasoa ny tena

Koa ialao fa fahavalo
Tsy mamela anao himalo
Tsy mibanjina ny ho avy
Fa ny eo ihany ny azy

Hery iray manimba saina
Hery toa tsy mba hay tohaina
Fa rehefa tarihin'ilay filana
Dia ny mamitaka no fiaingana

O ry velona eto an-tany
Ialao fa manimba izany
Maro no efa voarava
Noho ny fitaka efa ho lava


IVS
02/08/07
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1086 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : I V S ( Ilay voromailala sariaka )
Nampiditra : voromanoa
Daty : 02/08/2007 08:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131