Hampiditra sary Nampiditra : joachimichael
Daty : 18/10/2006 01:06
Nijery : 1261
Tononkalo: 3 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

joachim michael

fitia
rakotr aizina ny tontolo, noho ny alahelo lava izao
ka naratra koa ny fo tamin ny ady izay natao
Lasa izay nananana, nafoy koa ny teo an tanana
Nampijaly nam pahory ,ilay fitia toa tsy hita akory

Ny fanahiko mitia toa mivezivezy lava
Minia sy mitia nefa mora malazo
Mangorintsina ny vatana miandrandra afanana
Mivalohalika ny fo raha vao mahatsiaro ny taloha

Ny fitia toa tsy be dia be fa toa misy fetrany ihany
Nefa izy no mahery dia tadiaviko hatrany
ka raha mbola velon aho dia hazaiko ny fitia
Mba ho paradisan tany ny fo mifankatia

Ho tiako izay tia raha tena fo madio
hiandrandrako voka tsoa sy fitiavana tsy manam paharoa
Dia ho adinoko ny lasa sy ny hery setra mafy
fa tonga ilay mahery dia fitia manan kery
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/joachim-michael
Tononkalo ( 3)
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133