fitia (joachim michael)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rakotr'aizina ny tontolo nohon'ny alahelo lava izao
Ka maratra koa ny fo tamin ny ady izay natao

Lasa izay nananana,nafoy koa ny teo an tanana
Nampijaly mnampahory,ilay fitia toa tsy hita akory

Ny fanahiko mitia dia mivezivezy lava
Minia sy mitia nefa mora malazo
Mangorintsina ny vatana miandrandra hafanana
Mivalohalika ny fo raha vao mahatsiaro ny taloha

Ny fitia tsy be dia be fa misy fetrany ihany
Nefa izy no mahery dia tadiaviko hatrany
Ka raha mbola velon aho dia haziko ny fitia
Mba ho paradisan tany ny fo mifankatia

Ho tiako izay tia raha tena fo madio
Hiandrandrako voka tsoa sy fitiavana tsy manam paharoa
Dia ho adinoko ny lasa sy ny hery setra mafy
Satria tonga ilay mahery dia fitia manan kery
--------
Rohy:
1018 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : joachim michael
Nampiditra : joachimichael
Daty : 18/10/2006 01:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143