Daty : 21/09/2023 23:52
Nijery : 1109
Tononkalo: 49 Jereo eto
Mankafy : 2 Ankafizo
Mahalia❤✨
i Mahalia na i RANDRIAMIARISOA Faniry Joséa Djessica no anarana nofinidin'ireo Ray sy Reniny hasalotra azy fony izy nisatantra izany tany izany tamin'ny 23 Desambra 199...tao Ambatolampy.Matoan-dRay sy Reniny amin'ireo telo mianadahy zanany ny ramatoakely.Nanomboka nanoratra tamin'ny taona 2010 teo amin'ny kilasy taona fahavalo tao amin-dry Frera Marista Antsirabe(C.I.C.A).
_Niditra ho sakaizan'ny Faribolana Sandratra Antsirabe ny taona 2021,ary niara nisehatra tamin'ireo Zokibe sy Mpiray Faribolana nampiaina Antsan-tononkalo ho an'ny Iray volan'ny Teny Malagasy hoe: "TONTOLO...IAINANA NY TENY" ny 18 Jona 2022.
_Nandray anjara tamin'ny hetsika famoaham-boky milohateny hoe : "TSAR'TENY" koa izy tamin'ny 25 Febroary 2023 izay boky hahitana ny asa sorany rahateo tao amin'ny CGM ANALAKELY ANTANANARIVO sy ny 22 Aprily 2023 tao ANTSIRABE.
_Nahandro nahamasaka sy nitoto nahafotsy tamin'ny famelomana Antsan-tononkalo nataon'ny Faribolana Sandratra Antsirabe tamin'ilay ANTSA SAVORITAKA tao amin'ny TRANOBEN'NY KOLONTSAINA sy ny SERASERA VAKINANKARATRA ihany koa izy ny 23 Martsa 2024.
Ary hatramin'izao dia mbola Mpiray Faribolana ao amin'ny Sampana Antsirabe ny vehivavy.
_Tia mampiasa "Rima malalaka" ny andriambavilanitra rehefa manoratra,ary isan'ny ahafatarana azy koa ny maha poeta malahelo sy mitanisa fahatsiarovana(nostalgique) be azy.Izy dia mankafy mihira ny fitiavana ary somary havanana kokoa izy eo amin'ny fanoratana izany.
_Maro ireo poeta sy mpanoratra tiany fa singaniny manokana ireto olona manaraka ireto: Rado,Samuel Ratany, Randza Zanamihoatra ary i Avelo Nidor sy Rolly Casimir.
Mandrampihaona e.
Mankasitraka.
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/mahalia0
