AFA-PO (Mahalia❤✨)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AFA-PO

Tsy hitady anao intsony
fa hiezaka hampitony
ilay fo maditra keliko.
Ny marina tsy afeniko
f'izy tzna mbola mila anao!!!
Tsy nanam-po anao nandao
fa nanantena sady nino
hoe ianao tsy hanadino
N'inona n'inona manjo
satria mitia avy amin'ny fo
(...)
Saingy tsy afaka mamaritra
Tsy mahazo miady varotra
fa tsy tompon'ny ho avy
ny tonom-bavako sahady?
Hahita anie ianao hahita
Olo-mendrika sariaka
tsy ho sendra mpanaliaka
ka ho tsara noho ny antsika
(ny aminareo roa)

"Ny eto kosa hitoetra
f'efa izay aloha no fetra
tsy miandry anao hiverina
Afa-po tsy misy nenina"

Mahalia❤✨
--------
Rohy:
222 2
Mpakafy: ZavonaRakoto - Djess
Hevitra mandeha
ZavonaRakoto ( 11/11/2024 09:34)
Kanto loatra Mahalia a,

Mpankafy anao!!!
Djess ( 13/11/2024 02:56)
Mankasitraka Zavona❤️❤️❤️
ZavonaRakoto ( 13/11/2024 04:32)
Tena afa-po!!!??????? Hihi,
Djess ( 13/11/2024 18:05)
Afa-po tsy misy nenina lesy koa🙈
Djess ( 13/11/2024 18:18)
Misaotra an'i Ikalamako niantsa❤️❤️❤️
ZavonaRakoto ( 14/11/2024 07:07)
Azoko! Tsiky kely hoan-dry! 😊
ikalamako ( 14/11/2024 10:15)
Djess, ianareo poeta sy ny aingam-panahinareo no isaorana nizara azy ho anay !
Djess ( 04/12/2024 20:28)
koa inona moa resaka fa dia misaotra antsika isika izany❤❤🙆‍♂️
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 08/11/2024 20:11
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165