Nampiditra : nivohanta
Daty : 14/06/2010 19:56
Nijery : 3517
Tononkalo: 9 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Nivohanta

Irène RANDRIANARISOA-RASENDRA no anarako.Nandalina ny teny malagasy (Maîtrise de malgache-1991-INALCO, Paris)sy teny anglisy (Institut Catholique de Paris-1986).Efa nanoratra poezia hatramin ny fahazaza fa tsy natahiry izany,dia izao indray vao manoratra.Tamin ny 1991 nanala maîtrise tao amin ny INALCO -Paris.:"Dox(1913-1978),Poésie malgache et dialogue des cultures".Ho avoaka boky amin ity taona ity izy io.Misy poèmes 40 nadika teny frantsay.Ho any izay liana hamaky azy alohan ny fivoahan ny boky dia misy am -pahiny azo vakiana:

1.Etudes Océan Indien numero 17
Poésies de Madagascar et des Comores
Inalco -1994
"Dox(1913-1978) Oeuvre poétique et traduction.
Nivohanta RASENDRA.
p.149-157

2.Dox:écrivain et musicien à Madagascar
Dominique RANAIVOSON
Ed.tion Tsipika et Sépia
Ny tononkalon ' i Dox aho dia saika dika-teny nataoko avokoa.

Efa 30 taona mahery no mipetraka aty France ary mpiasa mpanjakana aho.Rahefa tsy miasa dia mihira no zavatra mahafinaritra ahy.Efa nihira niaraka tamin ny Feon 'Anjomara.Amin izao fotoana dia miaraka amin ny chorale Fiderana ao Paris.Ankoatran izany dia manoa hoso doko koa aho.Manomana boky mikasika poety malagasy hafa koa aho fa io fandikana fotsiny fa tsy ohatran ilay an i Dox misy "étude littéraire".Ho resahina eto ihany rahefa mandroso.

Manararoatra aho manao antso avo ho an ireo taranaka poety,raha misy "manuscrit" na tononkalo efa nivoaka tianareo adika amin ny teny frantsay dia vonona ny hiara miasa.Ankoatran izany dia mamaky boky no tena fandaniko andro:mikasika literatiora na politika ,na toekarena sy ny sisa sy ny sisa.Dia eo koa ny fanatanjaha-tena:tennis,randonnée,tennis de table sns.

Mipetraka any ambanivohitra aho.Mikarakara voninkazo no tena mahafinaritra ahy.Indrindra moa ny raozy sy orchidée.Mbola velon dray amandreny,efa lehibe tokoa izy ireo,ary isaorana manokana satria izy no nitaiza tao anatin ny fitiavana ny kolo-tsaina malagasy sy ny fitiavana manitatra saina sy mahalala ny hafa.

Izay aloha angamba ny androany.Aza misalasala raha toa ka misy te hanao "commentaires "mikasika ireo zavatra nosoratako-na tsara io na ratsy.Dia mahazoa fahafinaretana eo am-pamakiana azy ary samia isika ho tahin'Andriamanitra ,mandra-piresaka indray.

Nivohanta
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/nivohanta
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132