Hampiditra sary Nampiditra : Rinhary
Daty : 23/08/2019 13:07
Nijery : 500
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 1 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala

Mpanoratra tononkalo manaraka ny karazany rehetra.
Manana fomba fanoratana manokana sy rima ary endrika tononkalo manokana dia ny ROHEHIRY, ary manana endrika tononkalo sonnet vaovao noforoniny dia ny "sonnet-RY".
Efa tamin'ny taona 1993 no nanoratra ary teny amin'ny sehatry ny Tily no nahitana azy miantsa (lasy Ravinala 68, lasy fanomanana sy fanaterana) ary mandefa tsindraindray fiarahabana taona amina FB.
Ankoatry ny maha mpanoratra azy, hita eny amina famoronankira izy ary misy hita ao amin'ny solfa.mg ireo hira noforoniny. Moa rahateo, isan'ireo mpikambana Tily Mamoronkira izy.
Izy no namorona ny hira fankalazana ny faha25 taonan'ny SAMPATI FJKM, namorona ny hira nankalazana ny faha-20 taonan'ny SAMPATI FJKM KANANANA VAOVAO Ambohimalaza Firisana.
Izy no namorona ilay sary nahetsika (dessin animé) mitondra ny lohanteny hoe:" Ramanankiantana" hita ampahany ao amin'ny "Youtube".
Taloha nisy solon'anarana nahalalan'ny vitsivitsy azy dia ny TRI-R.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/rinhary-na-i-rakoto-rakotomalala-rivonirinharinala
Tononkalo ( 0)

Tsy misy tononkalo hita.

Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016