MAHEREZA SAKAIZA! (Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(dika 2.0, Pantoum)

« Tarafo ny lanitra ambony fa manga
Todio ny orana fa tsy eo intsony
Araraoty ito andro mibaliaka fitranga
Mba anahazana ito lamba kotan-tomany.

Araraoty ito andro mibaliaka fitranga
Fa fomban’ny maina hatrany am-boalohany
No mitroka ny mando, koa aza atao mahagaga
Fa lalam-piainana ny toa an’izany.

Tsy ho afa-mameno izay heverina ho banga
Ny maty efa lasa nadao ny fiainana an-tany
Koa tarafo ny lanitra ambony fa manga
Ny tomany aza avela hitarazoka hankarary.

Ny maty efa lasa nadao ny fiainana an-tany
Tsy ho afa-mameno izay heverina ho banga
Koa andao re hotohizana ireo soa sy ireo mamy
Niaraha-niaina, niaraha-nilanja.”

Rinhary
(rakoto-rakotomalala
rivoniRINHARInala)
12 martsa 2014
--------
Rohy:
138 1
Mpakafy: hery
Hevitra mandeha
Rinhary ( 19/06/2024 09:46)
Principe de base du pantoum: la répétition
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala
Nampiditra : Rinhary
Daty : 19/06/2024 09:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138